Fandriampahalemana

Mpitandro ny filaminana Misy romoromo ny polisy sy miaramila..


  • Talata 18 Septambra 2018

Miha mangatsiaka ny fifandraisana eo amin’ny miaramila sy ny polisy taorian’ny nahafaty ny olon’ny Capsat tetsy Anosibe.

 

 Raha ny fanazavan’ny naman’ny maty dia olona efa nibaboka io miaramila io kanefa mbola novonoina ihany. Tsiahivina fa tafiditra tao anatina andian-jiolahy voalaza fa nikasa ny hanao fanafihana mitam-piadiana ny 11 eptambra teo io miaramila io ary tsy nanao fanamiana. Tsy vao izao fa efa nisy tranga maromaro nahatonga tsy fifankahazoana eo amin’ny samy mpitandro ny filaminana ary mitranga avy eo ny fifanilihana andraikitra satria samy miaro ny olony. Mazàna moa dia tsy mety fantatra mazava izay tena marina,  satria ny olona voarohirohy rahateo maty voatifitra. Ho an’ireo polisy nanontaniana, milaza fa manao ny asany tahaka ny mahazatra amin’ny fikarohana jiolahy izy ireo, ka rehefa misy ny fifanenjehana, ireo jiolahy rahateo miaraka amin’ny fitaovam-piadiana dia tsy maintsy miaro tena ary mitifitra ny polisy. Etsy an-kilan’izay, maro no mihevitra ny hoe : f’angaha dia tena tsy maintsy vonoina ho faty izay jiolahy rehetra henjehina. Rehefa maty mantsy izy ireo dia mifarana eo ny fanadihadiana ka tsy fantatra izay mbola mpiray tsikombakomba aminy. Ny mampanahy amin’ity fifandraisana miha mangatsiaka amin’ny samy mpitandro ny filaminana ity dia efa ho avy izao ny fampielezan-kevitra, hiatrika fifidianana ny Malagasy koa raha ireo natao hiaro ny vahoaka indray no tsy mifanaraka koa tsy hanararaotra tahaka ny banga mihomehy amin’ny alina ve ny jiolahy ? Tsapa amin’izao tranga izao ihany koa fa misy zavatra tsy maintsy alamina eo anivon’ny mpitandro ny filaminana Malagasy satria matetika no handrenesana hoe miaramila, zandary ary polisy misy tafiditra amina asan-jiolahy, fanafihana na fakana an-keriny. Ny basy moa dia efa tsy fantatra intsony izay fanaraha-maso any anaty lakazerina any fa dia feno kalachnikov eraky ny tanàna. Toa  tsapa amin’ny zava-mitraga sy ny resaka mivoaka etsy sy eroa fa mivaha ny fanarahana ny fitsipi-pitondran-tena ary mety tsy ampy ny fanaraha-maso eo anivon’ny mpitandro ny filaminana Malagasy.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT