Fandriampahalemana

Mpitandro ny filaminana Anatin’ny safotofoto tanteraka


  • Sabotsy 02 Martsa 2019

Tsy mitovy hevitra ny fanjakana sy ny polisim-pirenena noho ny fampiatoana ny asa nosahanin’izy ireo dia ny fanaovana PR (Police de la Route) misahana ny fisavana samihafa toy ny taratasin’ny fiara sy ny mety ho trafika mandeha.

 

 

 Eo ihany koa ny fanesorana amin’izy ireo ny fanamboarana ny pasipaoro. Tsy mahazo midina an-dalambe ny polisy, saingy efa endrika fitokonana ihany ny ataony, ary efa nilaza hanao hanao hetsika raha tsy mivaly ny fitakiana. Ny zandary indray misy tratra manao jiolahy raha tsy hilaza afa tsy ilay voarohirohy tamin’ny raharaha fanafihana nahafatesana olona roa teny Mahitsy ny 9 febroary teo, ny manamboninahitra iray voarohirohy amin’ny raharaha fakana an-keriny teto Antananarivo sy Tsaratanana,... Ao ny nafindra toerana noho ny ahiahy sy ny tsy fahazoana vokatra. Misy ny ezaka fanadiovana fa mampivarahontsana ny mandre fa manamboninahitra ambony kolonely no tafiditra anaty raharaha fakana an-keriny. Mila fanadiovana goavana. Ny tafika ankehitriny no avoaka milanja basy sy manao fisafoana eraky ny tanàna eto an-drenivohitra. Mikorontana sy tsy voafehy ve ny mpitandro ny filaminana ? Toa tsy voalamina sy tsy voarindran’ny fanjakana izany hatreto. Misy ny ezaka sy ny vokatra azon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, saingy manao ny ataony ihany koa ny jiolahy sy ny dahalo saika manerana ny nosy ary mampiseho fa mafy sy sarotra fongorina. Anisan’ny mahamafy azy ny fanaovana kolikoly. Zarany aza misy ny olana eo amin’ny mpitandro ny filaminana fa ny azy ireo mitohy hatrany.

 

Toky  R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT