Resy tosiky ny olona tezitra noho ny delesstazy teo an-toerana ny mpitandro filaminana noho ny tsy fahampian’ny isan’ireto farany, raha ny tranga teo Antalaha no heverina, ka nahamay ny biraon’ny Jirama.
Raha mitaha amin’ny salanisan’ny mponina, ny mpitandro filaminana eto Madagasikara mihitsy no vitsy fa tsy ny any amin’ny faritra irery, torak’izany koa ny eto Antananarivo Renivohitra, araka ny resaka nifanaovana manokana tamin’ny tompon’andraikitry ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena, ny Komanda Herilalatiana Andrianarisaona. Marihina mantsy fa nizara roa ireo mpitandro filaminana tany Antalaha, izay nifandrimbonan’ny polisy sy ny zandary ka ny ankamaroany niambina ny toeram-pamokarana herinaratra fa ny ambiny no nisakana ireo vahoaka teo amin’ny fitantanan-draharahan’ity orin’asam-panjakana misahana ny herinaratra any an-toerana. Nony tsy voatazona ireo mponina romotry ny tsy fisiana herinaratra nandritra ny andro maro dia nifamonjy niaro ilay tobim-pamokarana ny mpitandro filaminana rehetra. Heverina fa ity farany no lafo vidy sy sarotra arenina raha sanatria ka kilan’ny afo raha mitaha amin’ilay trano misy ny fitantanana. “Azo lazaina fa zava-dehibe ny nahafahana niaro ilay “central thermique”, nony nirehitra ny birao, tsy manamaivana an’io akory, lasa namonjy nanamafy ny fiarovana io famokarana herinaratra io ny mpitandro filaminana. Efa natao daholo ny fampitandremana, baomba nandatsa-dranomaso, tifi-danitra. Raha nitifitra ny mpitandro filaminana, tsy ilay vahoaka be mitangorona no nalehan’ny bala. Ny tanan’ireo roa voatifitra no voa izay nahazo ny lalan-drà vaventy ka ny fahaverezan-drà no nahafaty azy ireo, araka ny filazan’ny mpitsabo”. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena teo amin’ny Toby Andrefanambohijanahary.Fehiny : tena mbola tsy maharaka ny isan’ny mponina ny isan’ny mpitandro filaminana eto Madagasikara
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.