Fandriampahalemana

Mpisandoka ho polisy Manambana amin’ny basy mihitsy ilay jiolahy


  • Talata 01 Febroary 2022

Tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny PPA3 Ilanivato ny lehilahy iray 43 taona ny 28 janoary maraina teo rehefa avy nisandoka ho Polisy.

 

Io daty voalaza io nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisy miasa ao amin’ny PPA Ilanivato tao amin’ny fari-piadidiany no naharay antso izy ireo izay nilaza fa misy lehilahy misandoka ho Polisy eny an-toerana ary manambana basy PA mihintsy. Raha vao nahare izany ireo tompon’andraikitra dia nanantona ilay faritra voalaza ka noraisim-potsiny ny lehilahy iray 43 taona niaraka tamin’ny basy kilalao miloko mainty nentiny nandrahonana olona. Araka ny fantatra dia nandeha nitaky vola tamin’olona teny an-toerana izy no nisandoka andraikitra ho Polisy no sady nanambana basy ihany koa. Fantatra fa maro no lasibatr’ity lehilahy ity teny amin’ny faritra Ilanivato sy ny manodidina iny. Maro ihany koa ny efa nametraka fitoriana tao amin’ny PPA Ilanivato mahakasika ny fisandohana andraikitra nataony izay efa nahazoany vola mitentina 43.000Ar.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT