Maty voatifitry ny dahalo indray ny mpiantoka omby iray avy any amin’ny Distrikan’Antanifotsy. Tao amin’ny kaominina Vinaninony atsimon’i Faratsiho ny alatsinainy teo.
Avy any Antanetibe-Antanifotsy no fiavian’ity rangahy ity, saingy noho ny asany dia mividy omby mitety tsena eran’i Vakinankaratra, ary mivezivezy amin’ireo tsena misy fivarotan’omby izy. Ny Alatsinainy 16 Avrily 2018 teo no niantsena tany Vianinony Atsimo satria andro tsena io any an-toerana. Nitaingina moto moa ity ranamana ity ka rehefa tonga teo amin’ny tananan’i Bemaraha, fokontany Ambohimahasoabe, kaominina Vinaninony atsimo dia tsy maintsy mandalo lalana somary ala ala kely sy somary mangina kokoa. Nisy vatan-kazo nanakana teo amin’ny lalany ka tsy nanam-po izy fa dia nidina ny moto ary nanala ilay hazo. Rehefa hamonjy ilay moto-ny iny no nisy nitifitra tamin’ny basy ka ny lohany mihitsy no voa ka maty tsy tra-drano izy. Mazava ho azy fa dia nosavain’ireo jiolahy izy ka lasa avokoa ny vola tany aminy.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.