Fandriampahalemana

Mpangalatra “sprinter” sy “mazda” Saron’ny mpitandro filaminana ireo jiolahy


  • Sabotsy 04 Novambra 2017

Tamin’ny 13 aogositra no namitahan’ireo olon-dratsy tamin’ny alalan’ny fakana ny fiara hanao “special” ny mpamily teny amin’ny By Pass, raha ny fanazavan’ny Kolonely Pascal Randriamanantena,

 Lehiben’ny sampana fikarohana amin’ny heloka bevava ao amin’ny Tobin’ny Zandarimaria Fiadanana omaly. Rehefa tonga teny an-toerana, dia nilaza izy ireo fa mbola misy olona andrasana. Efa atoandro ny andro, ka nasaina niala hetaheta tamin’ny “bungalow” ny mpamily sy ny mpanampy, ka nampihinanany fampatoriana, ary resy tory tsy tafafoa. Tsy teo intsony ny fiara “sprinter” rehefa taitra. Natao ny fikarohana, ka hita tany Ambositra ny fiara, ary voasambotra avokoa ireo olon-dratsy miisa 5, izay tarihin’I Ramanahadray Jean Bernardin na Bera, ary samy niaiky ny helony avokoa izy 5 ireo. Ankoatra izay, dia nisy fiara Mazda iray ihany koa nangalarin’izy ireo tany Moramanga tamin’ny fiandohan’ny oktobra. Rehefa nanao ny fanadihadiana ny polisin’ny SUT (Sureté Urbaine de Tananarive) dia ireo tambajotra, izay iray sy olona mitovy ihany. Resaka halatra fiara roa sosona izany no nahatrarana ireto olon-dratsy ireto, fa ny nahatraran’ny zandary azy resaka halatra “sprinter” ary ny an’ny polisy mikasika halatra “mazda”. Raha ny fiozotry ny tantara, dia ny alarobia, 11 oktobra 2017 no nisy olona tonga tao amin’ny biraon’ny Polisy etsy Tsaralalana nametraka fitoriana mahakasika ny fahaverezan’ny fiarany “Minibus Mazda” manao zotra mampitohy an’I Moramanga- Antananarivo. Ny 10 oktobra 2017 maraina dia nisy vehivavy iray nanatona ny mpamilin’ity fiara ity nilaza, fa mitady fiara hofaina. Rehefa noreseny lahatra teo ilay mpamily dia raikitra ny fifanarahana. Nilaza indray ilay ramatoa avy eo fa mbola misotrosotro tsy lavitra eo ny namany izay hiaraka amin’izy ireo fa andao alaina any. Rehefa tonga tany dia nomeny ranom-boankazo misy fampatoriana ilay mpamily ka torana tsy nahatsiaro- tena. Naterin’izy ireo tany amin’ny hotely iray tsy lavitra teo izy dia lasany ny fiara. Nandeha ny fikarohana, ka voasambotra ny vehivavy teny Ambodin’Isotry ny vehivavy iray, ary tany Anjozorobe no voasambotra ny 3 namany ny 26 oktobra 2017 tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany maraina. Natolotra ny fampanoavana omaly 3 novambra izy ireo. Ho an’ny zandarimaria, dia 3 ny resaka halatra fiara tonga teny amin’ny Toby Fiadanana hatramin’ny fiandohan’ny taona. Mandrisika ny rehefa mividy fiara mba ho mailo ny zandarimariam-pirenena. Matetika ny taratasim-pivarotana fotsiny no misy fa tsy misy « mutation », ka izay tratra farany no lasibatra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT