Fandriampahalemana

Mpangalatra mangahazo nosorana sakay Olona 3 no hatolotra ny fitsarana, naato ilay dina


  • Zoma 26 Aogositra 2022

Olona 3 no fantatra fa hatolotra ny fitsarana taorian’ilay raharaha fanosorana sakay ny vatan’ilay Renim-pianakaviana iray sy ny masony tratra nangalatra mangahazo tany amin’ny Fokontany Ankapila

kaominina ambanivohitra Antsirabe Nord, distrikan’i Vohemar andro vitsy lasa izay.Nidina ifotony nanadihady ny zava-misy sy nampahafantra ny lalàna velona misy eto amin'ny tany sy ny fanjakana mantsy ny avy amin'ny Zandarimariam-pirenena any an-toerana notarihin'ny kapiteny Raymond Zaidou Donatien kaomandan’ny kaompania ao Vohémar. Nandritra izany koa no nahafantarana fa tsy ara-dalàna koa ny dina nampiharin'ny fokonolona tamin’ity renim-pianakaviana ity. Tsy nisy fankatoavana tamin'ny manampahefana mantsy izany ary 100.000 Ariary no voasoratra ao anatin’ilay dina tsy ara-dalàna fa tsy 250.000 Ariary izay nalaina sy notakiana tamin'ilay renim-pianakaviana tratra nangalatra. Efa fanin-diminy tamin’ity Renim-pianakaviana tratra nangalatra mangahazo ity moa no fantatra voahosotra sakay tao amin'ny Fokontany Ankapila kaominina Antsirabe nord. Nasain’ny zandary natsahatra avy hatrany moa ny fampiharana ity dina hafahafa ity indrindra fa ilay fanosorana sakay ho fiarovana ny ain’ny vahoaka.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT