Fandriampahalemana

Mpanendaka teny Ampefiloha Teo am-panokafana sakaosin’olona no tratra


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Mitohy hatrany ny ezaka hataon’ny Polisy miasa ao amin’ny PPA 1 Ampefiloha amin’ny famongorana ireo mpanao sinto-mahery sy mpanendaka ao amin’ny fari-piadidiany.

 

 

 Nametraka paikady vaovao izy ireo ka polisy manao fanamiana sivily no hapetrany amin’ireo toerana be olona, indrindra fa eny amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-be rehefa amin’ny hariva. Vokatr’izany dia lehilahy iray 36 taona no tra-tehaka teo am-pamohana sakaosin’olona teny amin’ny toby fiantsonan’ny taxi Ampefiloha ny 30 okotobra teo tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany hariva. Rehefa tsikaritr’ilay mpanao ratsy ireo polisy manao fanamiana sivily fa hanatona azy dia niezaka nitsoaka izy saingy nifanehitra tamin’ireo polisin’ny SAG izay nanao fisafoana teny amin’ny faritr’Anosy. Taorian’ny fanadihadiana natao dia natolotra ny fampanoavana ny 31 oktobra lasa teo ny lehilahy ary nalefa vonjimaika eny Antanimora.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT