Fandriampahalemana

Mpanendaka eny amin’ny 67 ha Misolo akanjo isaky ny mahavita ny asa ratsiny


  • Alakamisy 14 Janoary 2021

Mpangarom-paosy iray vao 18 taona monja no tra-tehaky ny Polisy eny 67 ha,

 

 

 

 

rehefa zatra mpamely olona eny amin’ny toby fiantsonana. Maharay fitarainana hatrany mantsy ny polisy eny an-toerana fa misy mpanendaka eo amin’ny toby fiantsonan’ny taxibe botika orange ka nidina teny an-toerana avy hatrany izy ireo. Vao nahita ireo polisy nanantona ity tovolahy ity dia niezaka ny nitsaoka. Efa nisy polisy nanao fanamiana sivily anefa nidina teny an-toerana ka afaka nisambotra azy mora foana . Rehefa nosavaina ny entana teny aminy dia nahitana akanjo maro samy hafa izay soloiny isaky ny mahavita ny asa ratsiny. Nahitana antsy kely sy puce iray ihany koa niaraka tamin’ireo voalaza ireo. Rehefa nanao ny fanadihadiana ny Polisy dia fantatra fa efa matetika nandalo tao amin’ny birao ity lehilahy ity ary resaka harom-paosy avokoa no hanenjehana azy. Ity tovolahy ity ihany koa dia efa mpamerin-keloka satria efa nigadra 03 volana tamin’ny taona 2020 lasa teo noho ny resaka fanendahana ihany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT