Niakatra fampanoavana omaly alatsinainy 19 martsa 2018 ireo olona niisa 19, mpanara-dia omby very ka nahatrarana basy vita Malagasy niisa 18, niaraka tamin’ny bala maromaro ny herinandro lasa teo.
Niakatra an’Antsirabe avokoa ireo mponina marobe, nahitana sefo fokontany maro avy amin’ny kaominina niisa 6 mivondrona ao anatin’ilay fikambanana “Firaisankina” amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’i Betafo ao. Anton-dia ny hiaro ireo olona nosamborina. Nanamafy ireto mponina ireto fa tena tsy olo-meloka ireo voasambotra, fa nanara-dia dahalo tokoa satria nambaran’izy ireo fa omby efa voavidin’olona, ka nokasaina horoahina ho any Antsirabe no norobain’ny dahalo rehefa vita ny tsena tao Mahaiza. Noho ilay fikambanana “Firaisankina”, dia nivory ny fokonolona tamin’ny kaominina Manapa sy Mahaiza, Soavina ary Ambohimanambola mba hanao ny fanarahan-dia ireo dahalo. Rehefa nandeha dia hita fa niditra ny faritry ny kaominina Bemaha ny dian’omby, ka nampandre ny fokonolona tao izy ireo ary dia nisy ny nanampy azy ireo indray hanara-dia. Rehefa tao Bemaha nefa dia nambaran’izy ireo fa nisy olona niteny tamin’ny zandary, izay olona fantatry ny maro any an-toerana antsoina hoe: B……….kely, izay naniraka ireo zandary hisambotra ireo izay mitam-basy tamin’ny fokonolona. Nambaran’ireo fokonolona fa efa voadio ihany koa amin’ny anaran’io lehilahy io avokoa ireo omby ka izany no nitenenany tamin’ny zandary ary nandraisan’ireo zandary ny fepetra. Notemerin’ny olona ny fitsarana manoloana ny mety hitondrana am-ponja azy ireo. Hatramin’ny omaly hariva, dia mbola olona fotsiny manodidina ny fitsarana, izay nambenana miaramila sy polisy sao misy ny fihoaram-pefy.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.