Na tsy mbola fantatra aza ny tena daty ofisialy dia naman’ny azo lazaina foana hoe akaiky ny fifidianana ben’ny tanàna. Be ny zava-nanaitra teo amin’ny tontolo politika tato ho ato.
Manomboka maneho fanoherana amin’ny alalan’ny tsy fanekena fikitihana lalàna tsy nihatra ny antoko Tiako I Madagasikara. Samy nafahana madiodio tamina raharaham-pitsarana iray avy ny mpandraharaha Mbola Rajaonah sy ny mpanao politika, filohan’ny fikambanana Za’gasy, Jean Navandahy Ratiharison, ary samy mbola voatazona noho ny raharaha hafa koa anefa. Manomboka heno ho misy fivoriana politika mikaton-trano samihafa etsy sy eroa. Eo ny HFI, ny hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny halabato sy ny hoso-pifidianana, antoko politika sy vondrona ary fikambanana politika samihafa. Manomboka mipoitra koa ireo mpanao politika nanidy vava sy efa adinodino tao anaty volana maro toy ny filohan’ny FEDEP, Henri Rakotomalala na Riribe. Mety hipoitra hanaraka azy ireo tsy ho ela koa izany ireo mpiaradia toa an-dry Alain Andriamiseza sy ry Tolojanahary Maharavo na Doudou.
J. Mirija
Legend= Mba lasa aiza marina ary ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.