Mpivady tsy mbola niteraka sy mpianadahy no tra-tehaky ny zandary tamin’ny fanatanterahana fakana an-keriny ka samy efa nidoboka any am-ponja vonjimaika.
Taorian’ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana dia niaiky ny heloka bevava nataony ireo mpaka ankeriny efatra ka niakatra ny fampanoavana omaly ary efa nofonjaina avokoa. Nogiazana ireo fiara efatra sy trano lehibe telo eny Ambohibao sy Andakana, ary tany 62 a eny Mahitsy izay azony tamin’izany asa ratsy izany. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena. Jiolahy efa nokarohina hatry ny ela izy ireo no saron’ny avy ao amin’ny “section de recherches criminelles” etsy Fiadanana. Ny 16 aprily 2019 teo dia teny Mahitsy no nahatrarana mpivady kely izay efa malaza ary tafiditra tamin’ny asa fanaovana fakana an-keriny ary fantatra ihany koa fa efa nanao fanafihana vola tamin’ny taona 2012. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nanonona ny namany miisa roa izy ireo ka nanao ny vela-pandrika rehetra ny zandary. Eny Ambodimita no voalaza fa misy ireo namany ireo ka ny 18 aprily 2019 no nidinan’ny zandary teny ka tratra tao tokoa ireo olona roa farany ka lehilahy iray miaraka amin’ny anabaviny no tao izay tsy iza fa vadin’i Norbert Randriamanana na i Lama izay tena atidoha nikotrika ny fakana an-keriny nanomboka ny taona 1998 ary nokarohina fatratra tamin’izany fotoana izany. Tsy mianona fotsiny amin’ny vokatra toy izao anefa ny eo anivon’ny zandarimaria fa manohy ny ezaka hatrany, indrindra miandrandra ny fampitana haingana ny vaovao avy amin’ny olom-pirenena hatrany hahafahana mamongotra ireny mpaka an-keriny ireny.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.