Fandriampahalemana

MPANAO KIDNAPPING MALAZA Tratra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana sy odigasy


  • Alatsinainy 06 Mey 2019

Noharatoin’ny zandary any anaty taksibrosy i Zaman’i Fola, ary nosakaina tany anaty kizo fieren-jiolahy kosa ireo zandriny sy tanan-kavanany miisa dimy.

 

 

 

Samy tamin’ny andro alina avokoa, tao amin’ny faritra Maevatanana no nanamborana ireo mpaka takalon’aina ireo. Tra-tehaka ny alin’ny sabotsy 4mey teo  tamin’ny 9 ora sy sasany alina, i Zaman’i Fola na Valoniaina Mahatombo Fernand Tsaramiandry, dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny nampahory olona maro an-taonany izay efa nohazain’ny mpitandro filaminana. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena, ny alin’ny alakamisy 2 mey teo, vao avy nifandona tamin’ny mpitandro filaminana mpanao fisafoana ny andian-jiolahy tarihiny saingy mbola tafaporitsaka hatrany. Naharay vaovao ny zandarimaria fa niainga avy ao Ambondromamy tamin’ny 9 ora alina izy io sabotsy io, tao anaty fiara fitaterana ka noraisim-potsiny tao Maevatanana. Ody gasy maro sy fitaovam-piadiana mahery vaika ary bala maro no tra-tehaka niaraka taminy izay voamarina fa avy nampiasaina tamin’ny fifanjevoana ny alakamisy talohan’io, araka ireo hafatra tao anaty findainy. Nahazo fampitam-baovao hafa ihany koa ny zandary, avy amin’olon-tsotra nanondro ny kizo fieren’ireo jiolahy iray tarika amin’ny Zaman’i Fola, toa an’i Lebedahara lefitra sady solontenan’ity farany. Nidina ifotony vao maraina tamin’ny 4 ora ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena ka tratra tao amin’ilay kizo fieren-jiolahy ao Belavenona, fokontany Antsapanana anosikely, kaominina Tsararano, ditrikan’i Maevatanana ny dahalo 5 ka lehilahy ny telo ary vehivavy kosa ny roa. Azo sambo-belona i Lebedahara tanan-kavanan’i Zaman’i Fola sy ny zandrin’ity farany, Tsimatimôtro na Tsaramiray ary Jean Edmond Randriamanampisoa sy vehivavy roa, dia i Florida sy Fitiavana. Midera ireo zandary nanao fanamborana ny Jeneraly Richard Ravalomanana, SEG noho izy ireo niatrana am-bava basy mahery vaika fony nihazo ny kizo.

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT