Fandriampahalemana

Morondava Nifanenjehana ilay fiaram-panjakana nisy nangalatra


  • Alarobia 15 Desambra 2021

Nitrangana halatra fiaram-panjakana ampiasain’ny “Service regional de domaine Menabe” omaly 14 desambra 2021 tokony tamin’ny 08 ora sy 30 minitra tao Morondava “centre”, Faritra Menabe.

 Fiara 4*4 iray marika NISSAN AX 3.0 DI, laharana 5321 TAL (plaque rouge) no lasibatra tamin’izany. Raha vantany vao nahare io tranga io moa ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Morondava dia nahetsika avy hatrany ireo toby rehetra manamorona ny lalam-pirenena misy mifandray amin’ny tampon-tanànan’ny Morondava. Fotoana vitsy taorian’izay, tokony ho tamin’ny 10 ora sy 15 minitra dia tratra tao an-tampon-tanànan’ny kaominina Mahabo io fiara io rehefa avy nifanenjehana hatrany Marofototra kaominina Bemanonga. Nandritra ny fotoana nanenjehana azy dia tsy nanaiky ny hijanona ny mpangalatra na dia efa nanao fampitandremana matetika aza ireo zandary izay notarihin’i lietnà Rahariniaina Roger Franck, lefitry ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Morondava. Voatery nitifitra ny kodiarana, araka izany, ireo zandary ka vaky ny kodiarana iray aloha havanana. Mbola nikiry ny hanohy ny diany hatrany anefa izy ary tsy nijanona raha tsy nirehitra ilay kodiarana efa voatifitra. Nivoaka avy hatrany izy raha vao tafajanona ny fiara, ary nihazakazaka hisambotra ny basin’ireo zandary, na dia efa nampitandremana sy nasaina nijanona. Noho izany dia voatery nitifitra ny tongony ireo zandary ka naratra vokatr’izany ny ranjony havanana. Naterina avy hatrany any amin’ny hopitaly be eny Namahora ho tsaboina moa izy taorian’izay. Mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT