Fandriampahalemana

Mitohy ny fitsaram-bahoaka Roalahy maty nodorana velona


  • Alatsinainy 26 Novambra 2018

Lehilahy roa no indray matin’ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny Kaominina Ambohitsilaozana, distrikan’Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro teo.

 

Tratra nangalatra omby izy ireo raha ny fampitam-baovao, ka tsy nananan’ny olona hantra fa dia nanamparan’ny vahoaka ny fony sy ny hatezerany, ary nodorany velona. Sesilany ny asan-dahalo any amin’iny faritra Alaotra iny tato ho ato, ka izay no mahatonga ny olona mahavita mandatsaka aina, na dia voararan’ny lalàna aza. Mitohy hatrany izany ny fitsaram-bahoaka. Raha ny antontan’isa nivoaka ny volana septambra teo dia efa miisa 26 ireo olona matin'ny fitsaram-bahoaka hatramin'ny fiandohan'ity taona 2018 ity, izany hoe tena betsaka. Efa mihoatra ny 30 aza izany io satria vao ny volana oktobra teo no nisian’ireo polisy 3 lahy matin’ny fitsaram-bahoaka tany Fenoarivo Atsinanana rehefa notondroina ho mpanao ratsy kanefa hamita iraka no anton-dia. Ho an’ny taona 2017 moa, dia 68 no matin’ny fitsaram-bahoaka miisa 64, ka mpitandro filaminana ny 3 tamin’ireo. Zara raha nisy 6 monja tamin’ireo fitsaram-bahoaka 64 ireo no vosakana, ary olona 38 kosa no olona voasambotra. Tena nahazo vahana ny fitsaram-bahoaka tato anatin’ny taona vitsivitsy noho ny antony samihafa, fa goavana ny tsy fisian’ny tany tan-dalàna sy tsy fifampatokisan’ny manampahefana sy ny vahoaka. Mila vahaolana maty paika io, ary ilana fifampatokisana eo amin’ny mpitondra sy ny entina, ny mpitandro filaminana sy ny mpitsara an-daniny ary ny vahoaka an-kilany, ny fametrahana ny tany tan-dalàna, ary zava-dehibe ihany koa ny fampivoarana ara-toekarena amin’ny alalan’ny fampanan’asa ny olona satria mihena ny mpanao ratsy rehefa misy ny asa mahavelona.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT