Fandriampahalemana

Misandoka ho mpanao gazety ireo jiolahy Fanendahana sy fandrobana


  • Talata 07 Mey 2019

Rehefa avy nifanenjehana teo amin’ny faritra Andraharo ireo jiolahy mpanendaka môtô dia nampiseho ny karatra maha mpiasa amin’ny fahitalavitra ny iray tamin’ireo olon-dratsy.

 

 

 

Tsahivina moa fa tamin’ny 2 ora maraina ny sabotsy teo, nisy mpiasan’ny fiambenana nanatanteraka fanamarinana ireo mpiasa sahaniny izay an’ireny orinasan’ny « sécurité civile » ireny. Lasan’ireo malaso ny môtô « 125 cc » sy ny fanalahidy ary ny aro lohan’izy ireo teo Andraharo. Araka ny tatitra dia mamono amin’ny fampiasana « big boss » sy antsy maranitra izy ireo. Nanamarina ny polisy eo Antaniavo fa “mpiasan’ny haino aman-jery taloha ny iray tamin’ireo jiolahy mpanendaka voasambotra, raha nampiseho karatra maha mpiasan’ny orinasan-tserasera azy rehefa voasambotra. Nohamarinin’ny mpitandro filaminana tany am-piasany ka voalaza fa efa tsy niasa tany amin’ilay fahitalavitra intsony izy saingy tsy namerina ilay karatra. Mpiambina no asan’izy io tao amin’ilay orinasan-tserasera”, hoy ny polisin’Antaniavo raha nifampiresaka tamin’ny mpanao gazetinay. Araka ny loharanom-baovao hafa dia miharihary ilay soratra “Presse” eo amin’ilay karatra fa eny amin’ny faritra ambany no ahitana ilay asa maha mpiambina.  Marihina moa fa niara-niakatra fampanoavana omaly tamin’ireo jiolahy nanendaka fiara tsy mataho-dalana  izay nitranga ora iray mialoha io izy ireo. Mbola teo am-panenjehana ireo jiolahy telolahy nanakana fiara 4X4 teo amin’ny farmasia Ankazomanga ireo polisy no naharay antso ka nihazo an’Andraharo.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT