Fandriampahalemana

Minisiteran’ny filaminam-bahoaka Mpianatra ho polisy 1450 no horaisina


  • Zoma 04 Martsa 2022

Misokatra ny fifaninana hidirana ho mpianatra polisy ho an’ny taom-pianarana 2022. Mpianatra ho polisy miisa 1450 no horaisina izay mitsinjara toy izao.

Miisa 30 ny mpianatra ho kaomisera polisy, 50 ireo mpianatra ho manam-boninahitra Polisy, 220 ireo mpianatra ho inspektera polisy, raha miisa 1150 mpianatra ho Polisy. Nandritra ny filan-kevitry ny ministra moa no nivoahan’ity vaovao ity. Nanamafy ny tokony hisian’ny fahadiovan’ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana ny Filoham-pirenana araka izany ka izay mendrika sy mahay ihany no tokony horaisina. Hatao isaky ny renivohi-paritany ihany koa ny fifaninanana mba hahafahan’ny mpiadina rehetra misitraka izany. Tsy azo ekena intsony araka izany ny fanaovana risoriso sy kolikoly antony tena mahakivy ireo zana-bahoaka lany ron-doha tamin’ny fianarana ka mampiraviravy tanana azy ireny. Andrasana indray araka izany ny mety ho fahatanterahan’izany fa tsy hijanona ho kobana am-bava fotsiny ihany.
Nangonin’i Pati
Legende : Asa fanompoana tanindrazana ny asana polisy.
(Sary nindramina)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT