Fandriampahalemana

Minisiteran`ny filaminana anatiny Laharam-pahamena ny ady amin’ny “kidnapping”


  • Zoma 15 Jona 2018

Tontosa omaly alakamisy 14 jona maraina ny famindram-pahefana teo amin`ny minisitry ny filaminam-bahoaka teo aloha, ny controleur general de police Mamy Jean-Jacques Andrianisa sy ny minisitra vaovao,

ny controleur general de police Erick Michel Wouli Soumah Idrissa. Hatao laharam-pahamehana ny fiadiana amin`ny fakana an-keriny na ny kidnapping, hoy ny minisitra vaovao.  Hasiana ezaka manokana izy io. Mitady hiitatra satria manararaotra ny zava-misy eto amin`ny firenena ireo olon-dratsy.  Ankoatra ny ezaka atao hametrahana filaminana manerana ny nosy amin`ny alalan`ny fandrakofana ny faritra stratejika rehetra sy fametrahana polisy hita maso na “Presence  policiere visible effective rassurante”dia hatao vaindohan-draharaha ny fanatontosana ny fifidianana. Notsindriana manokana ny filaminana mialoha, mandritra, aorian’ny fifidianana. Hotohizina sy hohamafisana ihany koa ny fitsipi-pifehezana sy ny ady amin`ny kolikoly.

Kidnapping                                              

Tranga miisa 9 no efa nanaovana fanadihadiana hatramin`ny fisian`ny “cellule mixte d`enquete” iarahan`ny zandary sy ny polisy etsy amin`ny Toby Ratsimandrava. An-jatony no efa nalaina am-bavany ary 20 mahery ireo voatazona am-ponja vonjimaika. Mampirongatra ny fakana an-keriny amin`izao fotoana ny fatahoran`ireo fianakaviana an`ireo jiolahy ka tsy mahasahy manao fitoriana izy ireo.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT