Fandriampahalemana

Mihorohoro tanteraka ny any ambanivolo Mangalatra, mamono ary maka an-keriny ny dahalo


  • Zoma 13 Jolay 2018

Mihorohoro tanteraka ny mponina amina faritra maro eto amin’ny nosy amin’izao fotoana indrindra fa ny any ambanivohitra noho ny asa ratsin’ny dahalo izay efa tsy mionona intsony amin’ny halatr’omby ankehitriny fa efa lasa mpaka an-keriny indray .

Olona 6 no nisy naka an-keriny tao Mandarano sy Ampanotoka tao amin’ny kaominin’i Malaimbandy, distrikan’i Mahabo, omby 4 no very .Tafiditra tao anatin’izany ny zazavavikely vao 10 taona, lehilahy 27 taona, renim-pianakaviana mbola mampinono miaraka amin’ny zanany ary ny ray aman-drenin’io vehivavy io ;nalain’ny dahalo izay mirongo fitaovam-piadiana izy ireo rah any fitantaran’ny mponina tany an-toerana. Tsy sahy namaly ny vahoaka satria tsy manana fitaovam-piadiana afa-tsy lefona sy famaky izay tsy hahatohitra basy mihitsy;vola an-tapitrisany   moa no takian’ireo mahery na dahalo.Fa tao amin’ny  fokontanin’Ambatomainty kaominin’I Sadabe distrikan’I manjakandriana indray dia trano 7 no vaky, olona 1 naratra, 1 maty ary vola manodidina ny 25 tapitrisa  ariary sy entana maro no lasan’ny dahalo tato anatin’ny iray volana.Halatra fanamafisam-peo tao am-piangonana no niatombohana ny faran’ny volana jona, nitohy ka nitohy tamin’ny vaky trano.Manodidina ny 20 lahy ireo dahalo rehefa manafika ary mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika harany.Efa tsy mipetraka an-tanana intsony ny mponina indrindra fa ireo zaza amam-behivavy fa miafina any anaty ala noho ny tahotry ny fanafihana sy ny famonoana.Ny kisoa indray no mahazo trano..Efa tena tsy zaka intsony ny tsy filaminana sy ny asan-dahalo hoy ireo mponina any ambanivolo ka aiza ny mpitandro filaminana, tsy misy zandary sy miaramila intsony ve eto hiady amin’ny dahalo hoy izy ireo fa tena mijaly ny vahoaka, very fananana ary tsy afaka mamokatra intsony .Mazava ho azy fa tsy afaka ny hifantoka amin’izay raharaham-pirenena sy fifidianana ny vahoaka tsy milamin-tsaina sy robain’ny dahalo isan-kerinandro.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT