Mafana ny toe-draharaha any Tsaratanàna. Re omaly hariva fa namaly faty ireo daholo ka sady nanafika no nandroba ary mbola nodoran’izy ireo ihany koa ny tanàna .
Raha hiverenana, votsotra ny alahady 17 febroary lasa teo ireo olona nisy naka an-keriny tany Tsaratanana ny alin’ny 7 febroary. Nandoavana tambiny 15 tapitrisa ariary sy “credit” ho an’ny finday 100 isa ny fanavotana an’ilay Chef ZAP tao Tsaratanana II nalaina an-keriny niaraka tamina olona roa hafa, izay efa samy votsotra. Ireo dahalo efa nampilaza fa afaka 3 volana indray dia hiverina ry zareo fa handeha hividy fitaovam-piadiana mahery vaika, araka ny hafatra nampitondrainy an’ireo lasibatra. Omaly ihany dia efa namaly faty izy ireo. Efa misy rohy hifandraisan’ireo dahalo manerana ny distrika, ka mandry tsy lavo loha ny mpandraharaha ao Tsaratanana amin’izao ary tena mihorohoro ny vahoaka. Vao omaly ihany koa tao Morarano any Tsaratanana hatrany, dia mpividy volamena nitondra fiara tsy mataho-dalana saika hamonjy tsena no notafihin'ny jiolahy 6 mitam-basy tokony ho tamin'ny 6 ora maraina. 4 naratra samy voatifitra avokoa, ny iray nalefa avy hatrany aty Antananarivo ny 3 nentina notsaboina any amin'ny hopitaly Androva Mahajanga.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.