Mihantsy mpitandro filaminana ny jiolahy

Tanànana manamboninahitra voatafika, lasa ny basy


  • Talata 12 Septambra 2023

Jiolahy am-polony no tonga handroba tao amin'ny fonenan'ny tale jeneralin'ny polisim-pirenena teo aloha ny alin'ny talata 5 septambra teo,

raha ny tsiahim-baovao voaray. Polisin'ny FIP iray, mbola mpiana-draharaha, no miambina ny tanàna ka izy no nodarohan'ireo olon-dratsy avy hatrany tao amin'ny trano kely fiambenany. Naratra ny tenany. Lasan'ireo mpanafika ny basy teny aminy izay manana ny marika “Pistolet mitrailleur MAT 49” miaraka amin'ny bala 25 isa sy fitoeram-bala iray. Voaroba ihany koa ny finday iray, firavaka volafotsy 2 ary jiro “torche ultrafire” iray, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Efa mihantsy ny mpitandro filaminana, araka izany, ireo jiolahy.
J. Mirija
Légende: Karazan’ilay basy very (Sary Skispass ATM)

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT