MAROFANTSY FARAFANGANA

Andian-jiolahy saika hanafika, iray lavon’ny polisy


  • Zoma 15 Desambra 2023

Andian-jiolahy mitam-piadiana, saika hanatanteraka fanafihana tao

amin'ny fokontany Marofantsy, no nifanehatra tamin'ny polisim-pirenena avy ao amin'ny CSP Farafangana ny alin'ny Alarobia nifoha omaly Alakamisy 14 Desambra. Tokony ho tamin'ny 01 ora maraina raha tsiahivina no nandalo tao amin’ity Fokontany iray ity Polisy mpanao fisafoana any an-toerana. Tamin'izany ireto farany no nifanehatra tamina jiolahy 03 mitam-piadiana. Raikitra avy hatrany ny fifanenjehana ka nisy ny fifandonana. Tamin’izany no nahalavo ny jiolahy iray raha tafaporitsaka kosa ny namany roalahy. Tratra teny amin'ilay jiolahy lavon'ny bala ny basy vita gasy iray nisy bala kalibra 12, ary bara pince iray. Nogiazana avokoa ireo fitaovana ireo. Mbola mitohy ny fikarohana ireo jiolahy ireo ankehitriny.
Pati
Legende : Ilay jiolahy iray lavo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT