Lehilahy iray nahatrarana basy vita gasy miisa 5 no nosamborin’ ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSPD Maroantsetra faran’ny herinandro teo.
Vaovao avy amina tsara sitrapo no nahafantarana fa misy lehilahy iray monina ao amin’ny fokontany Ankiakabe, kaominina ambanivohitr’i Maroantsetra, milaza ho manana basy vita gasy maromaro ka mitady mpividy. Fantatra ihany koa fa noho ity lehilahy ity tsy nahita mpividy dia nanana eritreritra ny hitondra ireo basy ireo aony Ambilobe izy ka any an-toerana indray no hivarotra izany. Manoloana izany dia nandray andraikitra avy hatrany ny Polisy ka nisambotra ity lehilahy ity tao an-tokantranony izay marihina fa vao 33 taona monja. Nosavaina teo anatrehan’ny filoham-pokontany any an-toerana moa ny tranony ka mbola tratra tao daholo ireo basy vita gasy sy ireo fitaovana fanapahana vy maro samihafa.
Pat
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.