Ny hala-botry no tena mampitaraina ny olona amin'izao,indrindra fa ho an'ireo tantsaha mpamokatra eny ifotony.
Miandry ilay amin'ny 12 ora atoandro tsy hahafahana mivoaka ny trano iny intsony mantsy ireo tontakely ka mirotsaka eny an-tsaha manao izay danin'ny kibony sy maka izay ilainy. Ireo mpijinja sy mpanahy vary no tena mahita faisana amin'izany raha araka ny vaovao azo. Tsy mahavita ny an-tsasaky ny tanimbary akory mantsy ireo tantsaha dia tsy maintsy mody ka ireo tontakely no mibata ny ambiny mankany an-tokantranony. Ho an'ireo vary nakarina hitapy masoandro indray dia mbola izy ireo ihany no miliba maka izany noho ny vary tsy maintsy avela ho maina eny an.tokontany. Izany no iainan'ireo tantsaha mpamonatra any amin'iny distrikan'i Manjakandriana iny amin'izao fotoanan'ny fihibohana izao. Ho an'ireo vokatra kely sisa mba azo hamidy indray dia lo am-pitoerana ny ankamaroan'izy ireny noho ny tsy fisian'ny mpividy hany ka tsy maintsy hatao varo-boba.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.