Nalain’ny jiolahy an-keriny ny tompon’ny orinasa Ocean Trade, Hiridjee Mustafa.
Teo Tsarasaotra, omaly, tokony ho tamin’ny enina ora hariva no nosakanana ny fiarany ary nampidirina an-keriny tao anaty fiara hafa izay tsy mbola fantatra ny pitsopitsony io karàna io. Havan’ny mpanefoefo eto an-drenivohitra izy ary efa fanindroany izao no nisy naka an-keriny. Mitohy tsy an-kijanona intsony ity karazana heloka bevava ity. Tato anatin’ny tapa-polana mahery kely dia teratany karana miisa 4 no nisy naka an-keriny. Ny 24 mey teo no nisy naka an-keriny teny Ampasampito akaikin’ny Gamo i Navage Veldjee ary efa votsotra. Ny 3 jona no nisy naka an-keriny i Rishi Chandarana, izay zanaka lahin’ny tompon’ny hotely lehibe Le Grand Mellis etsy Tsaralalana, izay tsy mbola votsotra hatramin’izao ary nalaza fa 10 000 000Euros no takian’ny mpaka an-keriny. Ny 8 jona teo ihany koa no nisy naka an-keriny i Nizar Pirbay, mpandraharaha tompon’ny tranombarotra “P. Business Center”, raha niditra teo am-bavahadiny tao Salazamay Avaratra any Toamasina, ary tsy mbola votsotra hatramin’izao. Io indray efa telo andro monja taorian’io, dia niseho ny fakana an-keriny an’i Heridjee Mustafa omaly. Mirongatra tanteraka izany izy ity, ka 4 ny karana lasibatra tao anatin’ny roa herinandro, ka ny 3 no mbola eny am-pelatanan’ireo mpanao ratsy. Mety hisy hifandraisana amin’ny politika mafampana sa fakana an-keriny tsotra. Ny hita aloha dia tsy misy ny vahaolana mafonja, fa ny hoe mandeha ny fanadihadiana ihany no tena fandre matetika eo anatrehan’ny tranga toy izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.