Taorian’ilay resaka kidnapping nahazo an’ilay ankizivavy karana 11 taona antsoina hoe Rahima tamin’ny fiandohan’ny volana novambra 2018 lasa teo tany Manerinerina distrikan’Ambato Boeny any amin’iny RN 6 iny ka efa nahatrarana ny roa amin’ireo mpanao ratsy dia nitrangana kidnapping hafa indray nihatra
tamina zazavavy roa mpiray tampo kilasy voalohany sy kilasy faha-4 tao amin’ity toerana ity tamin’ny zoma 30 novambra 2018 lasa teo . Raha tsiahivina ny zava-nitranga dia tao anatin’ny fanafiahana tokantrano nisy azy ireo nataon’ny olon-dratsy 20 lahy nisy nirongo fiadiana kalach ka nahalasanan’izy ireo ny vola rehetra tao amin’ity tokantrano ity ary naharatrana ny raim-pianakaviana tompon-trano no mbola nakan’izy ireo ankeriny koa an’ireo zazavavy roa ireto ary sandain’ireto jiolahy vola 150 tapitrisa ariary ny famotsarana azy ireo fa hatry ny omaly talata 04 desambra tolakandro dia mbola tsy tafaverina amin’ny fianakaviany ireto zazavavy 2 ireto na dia efa nisy zandary nanao fandihadiana aza tamin’ny alatsinainy tao amin’ilay toerana nitrangan’ny fakana an-keriny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.