Hala-botry, fanafihana mitam-piadiana, sinto-mahery, rà nilatsaka noho ny asan-dahalo… Isan’andro dia re sy hita amin`ny haino aman-jery ny trangana tsy fandriampahalemana eto Madagasikara.
Tsy mifidy saranga intsony izany na olom-boafidy mitazona andraikitra ambony aza voatafika. Ny 08 novambra teo, nisy namaky ny biraon’ny Ben'ny tanàna ny Kaominina Belalanda, Distrika Toliara II. Very tamin’izany ny vato aratra lehibe roa, vola 2 600 000 Ariary, basy poleta iray miaraka amin’ny bala miisa efatra. Ny fitandroana ny filaminana anefa dia tsy mijanona amin`ny resaka tsy fandriampahalemana fa anatin` izany koa resaka herisetra amin`ny endriny samihafa toy ny ady eny an-dalam-be, ny ompa, ny herisetra ataon`ireo mpampiasa…; Ao anatin` izany fitandroana ny filaminana izany koa ny resaka fanolanana izay tena mirongatra tato ho ato ary tsy mifidy na lahy na vavy izany. Voalaza ao anatin` ny lalàmpanorenana ao amin`ny and. faha-8 andl. 01 sy 02 “ny fananan` ny olona rehetra ny zo hiaina, tsy azo ampahoriana, saziana na ampijaliana amin` ny fomba tafahoatra sy tsy mendritra manetry ny maha-olombelona.” Araka izany, zava-dehibe ny fanajàna ny zon` olombelona izay miantoka ny fitandroana ny fiarovana ny ain` olona izany. Mila averina, araka izany, eto Madagasikara ny fanajàna ny zon` olombelona izay saika notsinontsinoavina. Tokony handray andraikitra ny rehetra fa tsy hiandry fotsiny ihany ny fitondram-panjakana. Ilaina ny fampandraisana andraikitra avy amin` ireo tompon` andraikitra isaky ny ambaratonga mba hametrahana ny fandriampahalemana izay antoky ny fampandrosoana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.