Lavanila manta milanja 70 kg no voasaron` ny zandarimariam-pirenena ao Mandritsara.
Lehilahy iray no voasambotra noho ny fiarahamiasa avy amin'ny fokonolona ao amin'ny kaominina ambanivohitra Ambaripaika. Nidorana sy nipotehina teo anatrehan' ireo tompon’andraitra any an-toerana ireo vokatra ireo satria tsy mifanaraka velively amin'ny kalitaon' ny lavanily afaka amidy. Marihana fa mbola tsy misokatra ny ny tsena sy ny fotoam-piotazana ihany koa izao any amin` ny distrikan`i Mandritsara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.