Mirongatra hatrany ny fanafihan-jiolahy eto amintsika. Lohalaharana amin’izany ny lalam-pirenena fahafito izay nitrangana fanafihana indray ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 01 ora maraina.
Taksibrosy nitrondra olona manana fahasembanana avy any an-drenivohitra miisa 12 handeha hamonjy fifaninana any Toliara no lasibatr’izany tao Mandoto atsimon’Antsirabe, ka lasan’ireo mpanao ratsy hatramin’ny sakafon’izy ireo. Raha araka ny fantatra dia nohabanan’ireo jiolahy ny lalana ka tsy maintsy nijanona ny mpamily. Notetezin’izy ireo ireo mpandeha tao anatiny ka lasany daholo ny vola rehetra. Na izany aza anefa tsy nisy kosa ny naratra na namoy ny ainy. Nalefan’ireo dahalo avy hatrany mantsy ireto sembana ireto rehefa vitany izay nataony. Saika hiverina moa ireto sembana handeha hanao basket any Toliara ireto noho izany saingy nanohy ny diany ihany. Anio maraina izy ireo no higadona ao Toliara raha amin’ity herinandro ity kosa no hanatanterahana ilay fifaninana any an-toerana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.