Fandriampahalemana

Manarintsoa Isotry Vehivavy 25 taona tratra nangalatra « écran plat »


  • Alatsinainy 21 Martsa 2022

Vehivavy iray 25 taona ny 18 martsa lasa teo tokony ho tamin'ny 11ora sy 30mn no tratra nangalatra vata fahitalavitra teny Manarintsoa Isotry.

Niditra tao amin'ny tokantrano iray tetsy Manarintsoa ity vehivavy ity nikasa hibata tele ecran plat raha nohevitra fa tsisy olona tao amin'ilay trano. Novahany moramora ny varavana ary niditra nitsaitsaika tao an-trano izy. Efa voahalany daholo ny fil rehetra tamin'ilay écran plat ary teo am-pibatana izany izy no tsikaritry ny tompon-trano izay niantso ny Polisy avy hatrany . Vao nahare izany ny Polisy dia naniraka ireo namany nanao fisafoana tsy lavitra teo ka noraisim-potsiny ilay mpanao ratsy. Any amin'ny faritra Ankasina izy no mipetraka saingy tonga eny amin'ny faritra Manarintsoa Isotry nanao ny asa ratsiny .

Pati
Legende : Ity ilay vehivavy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT