Omby miisa 52 tao Ambalasitra, Kaominina Betanatanana, Distrikan’i Maintirano no lasan’ny dahalo ny alatsinainy 4 febroary teo, tamin’ny telo tolakandro.
Malaso valo mitam-padiana no tonga nandrahona sy nanafika atoandro teo an-toerana, araka ny loharanom-baovaon’ny Zandarimariam-pirenena avy eo Andrefan’Ambohijanahary ka tsy sahy niatrika ny mponina. Nony lasa kelikely ireo jiolahy, nampandre ny zandary ny teo an-tanàna. Niroso tamin’ny fanarahan-dia ny zandary sy ny andrimasom-pokonolona. Tsy lasa lavitra, tamin’io andro io ihany, fa voasakana teo amin’ny kizo Ankilimanarivo, Ambonara, Kaominin’i Betanantanana ihany ireo tsy mataho-tody. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo sy ny zandary ka lavo tamin’izany ny roa tamin’ireo olo-dratsy fa nanjavona kosa ireo namany enina. Basy iray no tratra. Tafaverina soamantsara amin’ny tompony ny biby fiompy, tsy nisy naratra kosa ny mpitandro filaminana sy ny mponina mpanara-dia.
Fihaonana
Tamin’io alin’ny 4 Febroary io ihany, araka ny fampitam-baovaon’ny Zandarimariam-pirenena eo amin’ny Toby Ratsimandrava hatrany. Omby efatra no lasan’ny dahalo, mbola miisa valo hatrany ny malaso ary nirongo fitaovam-piadiana ihany koa izy ireo. Torabato sy tifitra variraraka in-dimy nisesy ny tranon’ny tompon’omby ao amin’ny Fokontany Masindray Atsinanana, Kaominina Fihaonana, Ankazobe. Nahare izany ny zandary tany amin’ny an-toerana, niandry taty amin’ny kizon’i Mangarano Ambonirina, Kaominina Mahavelona, raikitra ny fifampitifirana, tsy nisy ny aina nafoy azo avokoa ny omby.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.