Fandriampahalemana

Mahajanga Mirongatra ny vaky trano isam-pokontany


  • Zoma 25 Febroary 2022

Manomboka maraina vao mangiran-dratsy ireo jiolahy manao ny asa ratsiny io ary mampiasa fanafody fampatoriana mihitsy izy ireo rehefa mamaky trano raha ny fanadiadina nataon'ny polisim-pirenena ao Mahajanga.

Ny fahitalavitra "écran plat" ary ny finday no matetika alain'ireo mpamaky trano ankoatry ny vola. Tao anatin’ny roa herinandro izay no nisy fisamborana nataon'ny polisy tao Mahajanga ireo jiolahy izay niainga tamin'ny fanomezana loharano-baovao ny olona tsara sitrapo. Tafakatra fito ireo jiolahy no voasambotra izay saika tanora avokoa ny ankamaroany. Na efa misy aza ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona dia mirongatra izay tsy izy ny vaky trano ao Mahajanga isam-pokontany. Miezaka amin'ny fanatanterahina ny fisafona hatrany ny polisy ao an-toerana manoloana ny vaky trano izay nitombo. Ireo fokontany izay voatonina ho faritra mena toy ny Tsararano, Mahavoky, Ambalavola, Fiofio , Aranta no tena foibe ahitana ireo jiolahy raha ny loharano-baovao azo. Anisan’ny lasibatra amin'ny asa ratsin'ireo jiolahy mpamaky trano koa ny fiara izay mipetraka amoron-dalana. Miaina ao anatin'ny fitaintainana arak'izany ny vahoaka Mahajanga manoloana ity raharaha vaky trano isam-pokontany.

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT