Fandriampahalemana

Mahabo - Menabe Mpampivelona indray no nalain’ny dahalo an-keriny


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2022

Toa tsy misy varany akory ho an’ny sendikan’ny mpampivelona sy ny infirmiera ny nanaovana ilay andron’ny firaisankina nanehoan’izy ireo ny tsy fahafaliany tamin’ireo namany roa lasibatry ny jiolahy tany Maintirano sy Soalala.

Vao andro vitsy lasa mantsy izay dia mpampivelona iray niasa tany Mahabo, Faritra Menabe indray no notafihin’ny dahalo sy nalainy an-keriny. Nisy ny famonjena natao azy nandritra izany ka navotsotr’ireo mpanao ratsy ihany izy ary efa nalefa eto Antananarivo ankehitriny. Nampanantena anefa ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana eto amintsika fa hiresaka amin’ny mpitandro ny filaminana hoy ny filohan’ny sendika ka hijery sy hiaro ny ain’izy ireo. Mamerina manao antso avo amin’ny Ministera araka ny sendika. Araka ny andininy faha 6 amin’ny lalana 2003-011 mifehy ny mpiasam-panjakana sy ny andininy faha 10 amin-ny lalana 94-025 momba ireo mpiasam-panjakana hoy izy ireo dia tsy maharitra fa zony tanteraka ny mahazo ny fiarovana ary raha sanatria misy fahavoazana manjo azy aza vokatr’ izany dia teren’ ny lalàna ny fanjakana hanonitra io fahavoazana io.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT