Fandriampahalemana

Maevatanana Mpiasan’ny fahasalamana roa lasibatry ny fanafihana


  • Alatsinainy 08 Novambra 2021

Mpiasan’ny fahasalamana miisa roa izay "Anesthesiste" mivady izay miasa ao amin'ny CHRR Maevatanana no nisy nanafika ny alin’ny sabotsy 06 novambra teo tokony ho tamin'ny 08 ora rehefa hody hisakafo fa “garde” ny lehilahy.

 Samy naratra avokoa izy mivady ireo, ka voatery manaraka fitsaboana. Nanameloka ny herisetra nahazo azy ireo ny Minisiteran’ny fahasalamana. Notsiahivina, fa tsy mandry andro tsy mandry alina ny mpiasan'ny Fahasalamana amin'ny fitsaboana ny vahoaka. Tsy mitandro hasasarana ary tsy mikely soroka izy ireo amin'ny fanatanterahany ny asany satria “izay marary andrianina” ary “masina ny ain'ny olombelona” ka tsy maintsy tandrovina mandrakariva. Na an-drenivohitra na any ambanivohitra dia mian-dahy miam-bavy ireo mpiasan'ny Fahasalamana (Dokotera, Paramed, Administrateur,…) no mifanome tanana, misikim-ponitra amin'ny fanatanterahana ny adidy masina izay sahaniny dia ny miaro sy mitsabo ary mamonjy ny mpiray tanindrazana manoloana ireo loza sy aretina samihafa, hoy ny Minisitera. Noraisina an-tanana manontolo avy hatrany tamin'ny alalan'ny “Fonds d'urgence” ny fitsaboana azy ireo. Ankoatra izay, amin’ny maha iray vatsy iray aina dia nanolotra solon-dranom-boankazo ihany koa ny Minisitera tamin’ny alalan’ny Fiadidiam-paritry ara-pahalasamana any Betsiboka. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin'ny Lehiben'ny Hopitaly CHRR Maevatanana omaly maraina, dia mbola manaraka fitsaboana izy ireo ary tsy misy atahorana ny ainy. Nirary fahasalamana haingana ho azy ireo ary manentana ny tsirairay isan’ambaratongany, ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny amin'ny fanamafisana ny fitandroana ny fandriampahalemana manerana ny Nosy Minisiteran’ny fahasalamana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT