Vosambotry ny polisin’ny FIP Toliara teny amin’ny lalam-pirenena fahafito Andatabo ny roa lahy mpanakan-dalana any amin’iny faritra iny ny 12 aogositra lasa teo tokony ho tamin’ny 01 ora atoandro.
Avy hatrany dia nalefa any amin’ny Polisy misahana ny ady heloka Atsimo Andrefana izy ireo hanaovana fanadihadiana. Tsiahivina moa fa olona marobe sy fiara no efa lasibatra tamin’ny sakan-dalana tany amin’iny lalam-pirenena fahafito iny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.