Baomba mandatsa-dranomaso 6 sy bala 7 no tra-tehaky ny polisy teo Anatihazo Isotry. Fitaovam-piadiana izay tsy tokony ho eny am-pelatanana sivily ary hahafahana manakorontana na mandratra sy mamono olona mihitsy aza.
Ahiana noho izany ny fikotrehina korontana noho ity tranga hafahafa amin’ny tany izay heverina fa milamina hatramin’ny nanombohan’ny fitondrana faharoa amin’ity repoblika faha-4 ity, raha ny fandiniky ny mpanara-baovao. Tsahivina mantsy fa fitaovana fampiasan’ny mpitandro filaminana amin’ny tany miady sy ny korontana izy ireny ary tsy tokony ho fahita amin’ny sivily. Tao anaty sakaosy fibaby no napetraky ny olona iray izay mahana rehefa nahatazana ireo mpitandro filaminana mpanao fisafoana izy ity, raha ny loharanom-baovaon’ny polisim-pirenena . Araka ny vaovao nampitaina tato ato, miova lalana na miditra tranom-barotra ireo olon-dratsy rehefa mahatazan-davitra ireny mpitandro filaminana ireny. Atahoran’ny mpanao ratsy mantsy ny Polisy mpanao fisafohana anatin’ny paikady «polisy hita maso». Lehilahy iray no niverin-dalana raha ifanena tamin’ny Polisin’ny kaomisaria an’Isotry, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina, omaly alatsinainy 11 marsa, teny amin’ny tetezan’ny Bekiraro Anatihazo Isotry ka avy hatrany dia nanao tari-dositra nilefa. Nariany teo amin’ny arabe ny kitapo fibaby noentiny ary nitsoaka avy hatrany ny Polisy izy. Raikitra ny fifanenjehana kanefa dia tsy tratra ity lehilahy ity rehefa nanao lalam-poza tamina elakelan-trano maro. Ilay kitapo nariany kosa dia nogiazana avy hatrany ary rehefa nosavaina dia nahitana karazana grenady lacrymogène miisa 06 sy bala hafa karazana ihany koa miisa 07. Efa nalefa eny amin’ny Polisy siantifika avy hatrany ireto fitaovana ireto halalana marina ny karazany sy ny niaviany.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.