Mpanendaka sy mpanao herisetra enin-dahy sy vehivavy iray mpivarotra halatra no voasambotry ny polisy avy ao amin'ny kaomisaria etsy Ambohijatovo, nanomboka ny sabotsy 4 mey teo.
Araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena, angom-baovao avy amin'ny mpiara-monina sy ny fokontany ary ireo fikambanan'ny « guides touristiques » eny La Haute Ville niampy ny vela-pandrika notanterahin’ny mpitandro no nahafahana nanambotra ireto olon-dratsy ireto. Araka ny vaovao avy amin’ny lehiben’ny kaomisaria ao amin’ny Boriborintany faharoa, ny Kaomisera Bernicot Ranaivomanana, ny vahiny mpizahatany sy ireo mpitsangantsangana eny amin'iny faritra ambony iny no tena lasibatr'izy ireto. Maro ireo entana nendahin'izy ireo no mbola tratra teny aminy toy ny finday sy solosaina maro ary karatra isan-karazany. Tsy maintsy averina amin'ny tompony avy ireo entana ireo amin'ny fiafaran'ny fanadihadiana. Natolotra ny fitsarana omaly talata 7 mey izy ireo. Betsaka ny ezaka fiantsoana ireo mpitsangantsangana teratany vahiny hitsidika an’i Madagasikara. Tahaka ny boka mangarom-poza anefa raha ny tsy filaminana tahaka izao ka toa manosika azy ireny hiverina. Ho avy ny andiany fahavalo amin’ny International Tourism Fair Madagascar hotanterahina ny 13 ka hatramin’ny 16 jona ho avy izao, eny amin’ny Cci Ivato. Malaza ratsy any ivelany anefa ny firenena Malagasy noho ny tsy fifehezana ny filaminana.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.