Zazalahy roa dia i Thinot sy Tiavina samy vao 17 taona monja no indray nisy naka an-keriny teny Androndra ny talata lasa teo.
Nandeha nianatra izy ireo no tsy niverina intsony izay marihina fa hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalôrea. Tany Marovoay izy ireo no narian’ireo tsy mataho-tody naka azy ny sabotsy teo, natsipiny avy any anaty fiara nitondrany azy. Raha ny fanazavan’ny ray aman-drenin’izy roalahy ireto dia efa niteny taminy i Thinot ilay tena zanany fa nisy nanenjika foana izy any am-pianarana sady lehilahy ngezabe sy matanjaka be, herinandro tsy hitrangan’ilay fakana an-keriny. Noheverin’iretsy voalohany fa sangisangy anefa izany ka novaliany sangisangy ihany koa. Rehefa tsy hita anefa ireo zazalahy kely ireo ny talata hariva teo dia nisy niantso Rtoa Natacha reniny mba hanomana vola ary any amin’iny lalam-pirenena fahafito mihazo an’Antsirabe iny no fotoana hakan’ireo mpaka an-keriny izany. Tsy nety nihaona tamin’ireo olona niantso azy ireo anefa Rtoa Natacha fa nampahafantatra avy hatrany ny zava-misy tamin’ny mpitandro ny filaminana ka ireto farany no namindra toerana azy tao amin’ny havany etsy Andavamamba. Nanomboka teo dia ny mpitandro ny filaminana no nandray ny findain-dRtoa Natacha mba hanaovana ny fikarohana ireo zanany roalahy. Nanampy izany ny vaovao azo momba ny resaka nifanaovan’i Thinot tamin’ny namany tao anatin’ilay findainy iray fanaovany facebbok izay hadino tao an-trano tamin’io andro io. Niaina tao anatin’ny tebiteby ireo fianakaviana sady nifi-dranomaso ihany koa. Ny sabotsy teo anefa dia nahazo antso an-tariby avy amin’ny mpitandro ny filaminana any Marovoay ny fianakaviana fa any izy roalahy ka tokony halaina. Avy hatrany dia nianga ny fianakaviana taorian’izay. Raha ny fanazavan’i Thinot sy Tiavina dia tena nampijaliana izy ireo satria dia mbola reraka be tsy tafatsangana ao am-pandriana ny iray hatramin’ny omaly ary somary verivery saina ny iray. Nofatorana tongotra aman-tanana izy ireo nandritra izany. Notampenana ihany koa ny masony. Tsy nomena hanina afa-tsy mangahazo indray mandeha isan’andro ihany koa raha tsy mahazo manao maloto raha tsy amin’ny alina sady mbola arahina basy ihany koa na antsy ao amin’ny hatoka. Raha araka ny fanazavan’izy ireo hatrany dia vehivavy no nanadala an’i Tiavina izay nilaza fa torana tao anatin’ilay taksi nijanona teo amoron-dalana i Thinot ka nanatona tsy fidiny itsy voalohany saingy nodarohany avy hatrany ihany koa ary notampenany ny orony ka tsy nahare na inona na inona intsony. Trano mitete no nametrahana azy ireo, feon’olona efatra ihany koa no reny. Marihina fa manana olona ahiahiana ny fianakaviana ary efa nametraka fitoriana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.