Fandriampahalemana

Kidnapping tany Tsaratanàna Tranga dimy tao anatin`ny efa-bolana


  • Alarobia 01 Aogositra 2018

Mirongatra hatrany ny fakana an-keriny tamin`ity taona ity ary toa lasa fomba amam-panao any amin`ny tontolo ambanivohitra.

Tsy mangalatra omby intsony ny dahalo ankehitriny fa mangalatra olona amin`izay satria mora kokoa ny ahazoana vola amin`ny halatra olona, hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Tsaratanana, Ratefiarivony Jaona. Nahoraka tokoa ilay resaka fakana an-keriny tany Andriamena distrikan’i Tsaratanana mahakasika ireo mpiasa mpanao lalan`ny orinasa Kraomita Malagasy tamin`ny herinandro teo. Nitondra fanazavana tamin`ny mpanao gazety ny depiote Ratefiarivony Jaona, nitantara ny zava-nisy nandritra ny fanaovana an-keriny sy ny fizotry ny toedraharaha tany Tsaratanàna. Ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN 33a mampitohy ny kaominina ambanivohitra Andriamena ao amin`ny distrikan`i Tsaratanana  no voalaza fa fototry ny olana. Nifampizara moa ny fokonolona sy ny orinasa mpanao lalana ka ny Kraomita Malagasy no mandray asa betsaka amin`ny fanamboarana. Lalana mirefy 180km no amboarina. Tsy ankasitrahan`ny dahalo io ka tonga tamin`ny fakana an-keriny ireo olona efatra ireo, izay mpanao lalana ihany ka teny an-dalana no nosamborin`ireo jiolahy. Araka ny fanazavana, ny findain`ireo natao takalon`aina no nampiasain`ireo dahalo. Ireo no nifampiresahana tamin`ireo vady aman-janany sy ireo solombavambahoaka any an-toerana. Nandrahona ny dahalo hamerina ireo fokonolona raha tsy tiana ho faty ireto olona ireto ka voatery naverina ny fanarahan-dia. Ny depiote tany an-toerana sy ny mpitandro ny filaminana moa dia nanao fanelanelanana amin`ny tokony hamotsorana azy ireo. Ny fitakiana lelavola nataon`ireo dahalo no nafotaka satria nitentina 100 tapitrisa ariary. Miavaka mihitsy ny endrika fandrobana ataon`ireo dahalo ireo tao anatin`ny efa-bolana farany izao. Raha halatra omby sy vaky trano no nahazatra azy hatramin`izay dia niroso tamin`ny fakana an-keriny sandaina volabe indray izao.  Tranga dimy no niseho ary miisa 8 no efa niharany. Vola mitentina 180 tapitrisa Ariary be izao no fitambaran`ny vola efa azon`ireo dahalo ary ny olona iray aza tsy tafaverina hatramin`izao izay hitakiany 30 tapitrisa Ariary. Tsiahivina fa 50 taona no nikatonan`io lalana io dia nanjaka foana ny dahalo tany an-toerana ka tsy mety amin`izy ireo ny fanamboaran-dalana atao. Manao antso avo amin`ny fitondram-panjakana ny depiote Ratefiarivony Jaona mikasika ny tsy fandriampahalemana sy fakana olona an-keriny ao amin`ny distrikan`i Tsaratanana, Faritra Betsiboka.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT