Manomboka sarona ny atidohan’ny fanaovana fakana an-keriny na « kidnapping » eto amintsika rehefa nandeha ny famotorana lalina ireo sarona tany Toamasina.
Lehilahy iray mpikatroka ao anatin’ny antoko MAPAR raha ny sary mivoaka no voasambotra tany Antsirabe tamin’ity herinandro ity, rehefa nibaradaka ny iray tratra tany Toamasina tamin’ny raharaha fakana an-keriny an’i Arman Kamisy, tompon’ny orinasa Transfy tany Toamasina ny alarobia 21 novambra. Io lehilahy voasambotra tany Antsirabe io no voalaza ho atidohan’ny fakana an-keriny an’i Arman Kamisy sy nampaniraka ireo mpaka an-keriny. Efa voarohirohy tamin'ny fakana an-keriny an'i Shane Kourjee izay misy rohim-pihavanana amin’iry voalohany ihany tany Antsirabe ny taona 2016, saingy nahazo fahafahana vonjy maika. 500 tapitrisa ariary no vola notakiana tamin’ny fianakavian’i Shane Kourdjee izay vao votsotra tamin’ny 14 aprily 2016 ary 3 tapitrisa no nanakaramana ireo iraka. Volabe 3 miliara ariary kosa no nokasaina hampandoavina ny fianakavian'i Arman Kamis. Ankoatra azy, dia nisy namany 7, ary nisy tamin’ireo no voalaza ho nandray anjara tamina kidnapping tany Sambava no voasambotra. Mbola misy ireo karohina. Efa tena tambajotra izy io ary maro ny raharaha “kidnapping” voalaza fa efa nataon’izy ireo saingy misy mpiaro ambony hatrany. Mihenjana ny Mpitsara mpanao famotorana sy ny mpitandro ny filaminana ary tsy hanaiky fanelanelanana na “intervention” hanafahana ireo voarohirohy. Efa misy aza ny toromarika hisambotra ny mpiray tsikombakomba. Tsy hay aloha na misy hifandraisana amin’ny politika ny raharaha na ahoana fa ity lehilahy ity, ankoatra ny maha mpikatroka MAPAR azy dia voalaza fa zanak’anadahina minisitra vehivavy iray ao anatin’ny governemanta ankehitriny izay MAPAR ihany koa. Rahampitso zoma 7 desambra dia hisy ny valandresaka amin’ny mpanao gazety hataon’ny tribonaly ao Toamasina momba ity raharaha fakana an-keriny ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.