Taorian’ilay resaka kidnapping nahazo an’ilay ankizivavy karana 11 taona antsoina hoe Rahima tamin’ny fiandohan’ny volana novambra 2018 lasa teo tany Manerinerina distrikan’Ambatoboeny
RN 4 ka efa nahatrarana ny roa amin’ireo mpanao ratsy dia nitrangana kidnapping hafa indray nihatra tamina zazavavy roa mpiray tampo mpianatra taona faha-11 sy taona faha-7 tao amin’ity toerana ity tamin’ny zoma 30 novambra 2018 lasa teo. Raha tsiahivina, nisy jiolahy 20 nirongo fiadiana toy ny kalach nanafika ny tokantranon’izy ireo. Lasa tamin’izany ny vola rehetra tao an-trano. Naratra ny raim-pianakaviana tompon-trano izay voalaza fa voakapoky ny vodibasy. Nalain’izy ireo an-keriny koa ireo zazavavy roa ary vola 150 tapitrisa ariary ny sandan’ny famotsarana azy ireo. Hatry ny omaly alarobia 5 desambra 2018 hariva fotoana nanoratana an’ity lahatsoratra ity, tsy mbola tafaverina amin’ny fianakaviany izy roa na dia efa nisy zandary nanao fanadihadiana aza tamin’ny alatsinainy tao amin’ilay toerana nitrangan’ny fakana an-keriny. Voalazan’ny tati-baovao azo avy any Manerinerina fa tsy niantso an’ilay rain’izy mirahavavy intsony koa ireo jiolahy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.