Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo voarohirohy tamin’ny raharaha Bonjean, raha ny fampitam-baovaon’ny mpanao gazety any Mahajanga.
Nahavalalanina ireo mpanara-baovao maro ny
fivezivezen’ny toe-draharaha teo amin’ny mpiasan’ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana tamin’ny herinandro teo. Rehefa vita famotorana tamin’ny herinandro ambony ireo fito voarohirohy tamin’ny fakana an-keriny sy ny famonoana ilay kandida saika ho solombavambahoaka Rakotozafy Haingotiana Denis Fugain Bonjean dia nentina tany amin’ny fitsarana tany Mahajanga mba hiakatra fampanoavana ny faran’ny herinandro teo, araka ny fampitam-baovaon’ny zandariamariam-pirenena. Naverin’ireo mpiasan’ny tribonaly tao Mahajanga teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana indray anefa ny raharaha hamerenana na hanampiana ny fanadihadiana. Araka ny vaovao nivoaka an-gazety maro sy tamin’ny haino aman-jery ary ny tambajotran-tserasera tamin’ny herinandro ambony mikasika ny fisamborana ireo fito izay voapanga ho nandray anjara mivantana tamin’ny fakana kidnapping an’itompolahy Bonjean dia miandrandra ny tohin’ny toe-draharaha ny olom-pirenena. Lasa ihany ny andro maro izay fetra farany itazonan’ny mpitandro filaminana izany fa tsy hita ny fampalalam-baovaon’ny fitsarana mikasika ny fampanoavana. Mitana ny sain’ny maro mantsy ny kandida iray izay voasambotra fa iray loko tamin’ilay takalon’aina sady maty novonoina. Misy antony lehibe matoa ny zandarimariam-pirenena sahy nisambotra olom-baventy ara-politika toy izany. Manahy ny mpanara-baovao ny ho very anjavony izao famezivezena raharaha goavana izao. Ny mpitandro filaminana anefa manizingizina fa tsy afaka hiray tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy. Ekena fa mbola voatanan’ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana ireo mpitandro filaminana sy ny mpitsara fa mahagaga ny tsy mbola hisian’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety ataon’ireo voakasika ny momba ity raharahan’ny kandida roa mpifaninana ity, samy iray loko politika izay efa novoizin’ny haino aman-jery maro nandritra ny herinandro vitsy.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.