Ny alarobia 15 Aprily teo no tra-tehaky ny polisin'ny BC tetsy Tanjombato i Riri izay isan'ny nandray anjara tamin'ny fakana an-keriny tera-tany karana 01 niseho ny volana desambra 2019 lasa .
Rehefa nanao ny fanadihadiana ny polisy dia fantatra fa isan'ny niray tsikombakomba tamin'ireo jiolahy no isan'ny tompon'antoka tamin'ny fangejana tamina toerana 01 ilay karana ihany koa ity rangahy ity . Raha tsiahivina dia ny taona 2018 izy no efa voarohirohy tamin'ny resaka kidnapping ary efa voasambotry ny polisy ka efa nidoboka teny am-ponja. Ny taona 2019 indray izy no fantatra fa tafiditra tao anatin' ilay fakana an-keriny iray tetsy Soavimbahoaka ka izao voasambotra izao indray. Natolotra ny fampanoavana omaly moa ny lehilahy ary nalefa vonjimaika eny Tsiafahy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.