Fandriampahalemana

Kidnapping mamofona politika Karana vavy voabeda teny Ivandry


  • Sabotsy 07 Jolay 2018

Vehivavy teratany karana iray antsoina hoe Sabera Vasram, no nisy naka an-keriny teny Ivandry akaikin’ny Pullman omaly tokony ho tamin’ny 12 ora mahery kely teo.

 

Tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana marika Audi Q5, teo am-panaovana “manoeuvre” no  nisy nively tampoka tamin’ny maritoa ny fitaratra mifanandrify ny mpamily, nahafaha-namoha ny varavarana namoahana ilay karana. Manodidina ny 4 na 5 teo ireo lehilahy lava ranjanana naka an-keriny, raha ny vaovao vonjimaika re teny an-toerana. Voalaza fa nitondra fiara tsy mataho-dalana miisa roa ihany koa ireo olon-dratsy, ka marika Sorento ny iray. Tsy afa-nanoatra ireo mpiambina ny toerana nitrangan’ny fakana an-keriny satria na niezaka saika hanidy ny vavahady aza, dia voaambana basy hany ka tsy nisy afa-nihetsika. Trangana fakana an-keriny teratany karana fanin-tsiviny tamin’ity taona 2018 ity iny teny Ivandry omaly iny raha toa ka 15 tamin’ny 2016, 16 tamin’ny 2017. Faharoa tao anatin’ity volana jolay ity satria ny andron’ny alakamisy maraina teo tany Mahajanga ihany koa dia teratany karana iray mpanao fanaka antsoina Mouna Hiridjee no nalain’olona mitam-basy an-keriny, ary votsotra ny hariva  ihany, ka tsy nahazo ny vola 16 tapitrisa ariary notakiany ireo olon-dratsy. Ny volana jona sy jolay no be indrindra satria ny 3 jona no nisy naka an-keriny i Rishi Chandarana, izay zanaka lahin’ny tompon’ny hotely lehibe Le Grand Mellis etsy Tsaralalana, ny 8 jona teo no nisy naka an-keriny i Nizar Pirbay, tany Toamasina, ary vao andro vitsy izay no votsotra. Ny 11 jona tompon’ny orinasa Ocean Trade, Hiridjee Mustafa teny Tsarasaotra. Toa misintona ny sain’ny mpanara-baovao hihevitra, fa misy ambadika politika ity resaka fakana an-keriny ity. Akaiky ny fifidianana, ary heverina fa hakana vola hanaovana propagandy no antony. Amin’ny ankapobeny rahateo, dia tsy misy ny tena vokatra azo avy amin’ny hetsiky ny mpitandro filaminana sy ny fanadihadiana, fa ny fandoavam-bola be ihany no tena vahaolana maha votsotra ireo nalaina an-keriny.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT