Ho fiarovana ny ain’ny lasan’ny mpaka an-keriny, izay nitranga ny alakamisy 7 Febroary teo, tany Tsaratanana, efa eo am-pivarotana omby ireo fianakaviana.
“Zanaky ny fianakaviany akaiky ny tamin’ireo telo lasan’ny mpanao kidnapping. Fianakaviana sahirana no misy azy ary tsy hahatakatra ireo vola be tadiavin’ny mpaka takalon’aina. Ho fanavotana az, samy niezaka mivaro-panana izahay mianakavy, tahaka ny omby ho an’ireo havana tantsaha.” Hoy Njaka Andria, havana akaikin’ilay lasa takalon’aina farany teo tao amin’ny Distrikan’ny Tsaratanana. Tsy vitsy amin’ireo fianakavian’ny lasibatra tokoa, indrindra ny teratany vahiny no miezaka mangiana hisorohana ny mety ho famonoana ataon’ireo tsy mataho-tody. Nilaza anefa ilay akaikin’ny lasibatra fa efa manao izay ho afany ny mpitandro filaminana. Heverin’ny fianakaviana fa mifameno amin’ny ezak’izy ireo izany saingy mitaky fahamalinana, “ny vola fitady fa lahitaokana ny aina, tanjona moa raha tafavoaka soamantsara tahaka ilay tetsy amin’ny 67ha tamin’ny tapabolana sy tao Ankarafantsika tamin’ny herinandro, izay avotra soaman-tsara ny aina miaraka amin’ny vola”. Hoy Njaka Randria. Saingy matahotra valifaty hatrany ireo fianakaviana raha sanatria ka votsotra ireo malaso. Araka ny feo mandeha, efa miriaria ireo angidim-by mitily avy an’habakabaka saingy mbola tsy nahitana vokany izany. Moa ve ny solika lanin’ny fiaramanidina tsy efa mihoatra ny takian’ireo jiolahy? koa maninona raha atolotra ny fianakaviana izany? Marihina mantsy fa ahiana hatrany ny fahasalaman’ireo atao takalon’aina noho ny harerahany, indrindra ny ain’izy izy ireny raha sanatria anaty sakoroka.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.