Fandriampahalemana

“Kidnapping” etsy sy eroa Ao anaty fanjakana ny atidoha ?


  • Zoma 27 Jolay 2018

Mirongatra hatrany ny fakana an-keriny na ny “kidnapping” eto amintsika, saingy tsy hita izay tena vahaolana. Sokajiana ho zavatra tena avo lenta sy olona heverina ho “mafia” no mety ho ao anatiny.

Misy mpiaro tena matanjaka sy tambajotra goavana mihitsy ary misy famatsiam-bola be satria efa hary fitaovana, raha tsy hilaza afatsy ilay niseho tamin’ny fakana an-keriny an’ilay Karana vavy Sabera Varsram vadin’ny Tale Jeneralin’ny orinasa SODIAMA (Société de diffusion automobile de Madagascar), izay basy lava Kalack AK47 no hita amin’ny horonan-tsary, izay ny mpitandro ny filaminana ihany no tokony hitazona azy. Tsy ny karana irery intsony no lasibatra, izay efa tafakatra 10 izao hatry ny fiandohan’ny taona, fa efa voa ihany koa ny Malagasy, izay efa mihoatra ny 10 raha atambatra ny tranga tany Malaimbandy sy ireo 4 mpiasan’ny orinasa Kraomita Malagasy tany Brieville. Petra-kevitra iray ny hoe ny karana samy karana ihany no ao ambadiky ny raharaha, raha jerena amin’ilay resaka fiara hita teny Ambohidrapeto, izay malaza ho nampiasaina tamina “kidnapping”, ka hita tao anatin’io fiara io ny taratasin’ny fiara sy ny tompony izay karana, ka tsy fantatra izay misy azy amin’izao. Toa tsy mba misy teratany vahiny hafa, toy ny hoe sinoa, Frantsay,… lasibatra fa toa ireo Indopakistanais ireo hatrany. Tsy hay aloha izay tena marina ao ambadika hatreto, fa toa miseho amin’ny endriny roa ny fakana an-keriny amin’izao. Ny tsy azo lavina, dia lasa tranga mahazatra sy tsy vaovao amin’ny sofina toy ny asan-dahalo izy ity ary efa mitady ho lasa bizina. Efa manomboka tapitra ny omby dia miditra amin’ny olona indray izany izao ? Mety ho misy resaka ambadika politika lehibe, toy ny hoe fikotrehana lalam-bola hanaovana propagandy ihany koa. Tsy sanatria manoro hevi-dratsy fa toa mahalasa saina sy mampametra-panontaniana ihany ny zava-misy hoe : nahoana no tsy mba misy olom-panjakana, toy ny minisitra na loholona na depiote na ny ankohonany lasibatra mihitsy ? Olona sokajiana ho mpanam-bola be ireny, indrindra fa tamin’ity fanjakana ity ? Avy aiza ny loharanom-bola ampiasaina amin’ity fizarazam-bola sy resaka kolikoly amina andrim-panjakana ity ? Mampiahiahy ny zava-drehetra ary toa manintona ny saina hieritreritra hoe sao dia miainga ao anaty fanjakana ao ny atidoha sy ny fibaikoana ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT