Fandriampahalemana

Karana voatsindron’antsy teo amin’ny fony Efa-dahy no indray nalefa eny Tsiafahy


  • Alarobia 20 Janoary 2021

Jiolahy miisa 4 no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny BC Anosy sakelika

 

 

 

fahaefatra ny alin’ny 18 janoary teo, tokony ho tamin’ny 08 ora sasany taorian’ilay raharaha fanafihana narahana herisetra nahafatesana tera-tany karana iray voatsindrona antsy teo amin'ny fony. Antso avy tamin’ny olona tsara sitrapo no nilaza fa misy trangana fanafihana eny Ankadimbahoaka, tokony ho tamin’ny 08 ora alina, tamin’io andro io ihany. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana nijery ny zava-nisy ka vao tazan’ireto nanatona azy dia nandositra avy hatrany izy ireo. Nitohy tamin’ny fifanenjehana tamin’ny fiara izany ka teny Ankorondrano vao tratra. Miisa telo ireo jiolahy tao anatin’ilay fiara, ary ireo indray no nanoro ny namany hafa. Ny iray mipetraka eny Andranomahery raha teny Ankadimbahoaka kosa ny iray. Marihana fa ny roa tamin’ireo dia mpiasa tao amin'ilay toerana notafihany ihany. Mpiambina ilay toerana ny iray raha mpamily ny iray, ity farany izay ati-doha nitarika ilay fanafihana . Efa nigadra noho ny resaka fanafihan-jiolahy ihany ity farany raha araka ny fantatra. Natolotra ny fitsarana omaly izy ireo ary efa nalefa eny Tsiafahy vonjimaika.

Pati

 Legende : Ireto izy efa-dahy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT