Fandriampahalemana

Kaomisarian’ny Boriborintany I 700 ireo mpanendaka efa nalefany teny amin’ny fitsarana


  • Alakamisy 11 Mey 2017

Tsy mahagaga raha feno hipoka ny fonjan’Antanimora. Ho an’ny kaomisarian’ny Boriborintany voalohany manokana dia efa tafakatra 700 ireo mpangarom-paosy efa nalefa teny amin’ny fitsarana tato anatin’ny roa taona sy tapany.

Tamin’ny taona 2015, hoy ny kaomisera Rabenandrasana Jean Michel, dia tafakatra  256 ireo mpangarom-paosy nalefan’izy ireo  teny amin’ny fitsarana ary niakatra 318 tamin’ny taona 2016.  Ny olana anefa dia tapa-bolana na telo volana raha betsaka indrindra ireo mpangarom-paosy dia efa afaka miriaria eny anivon’ny fiarahamonina indray ka tokony handraisana fepetra manokana. Mila ampiharina araka ny tokony ho izy ny sazy omena ny mpangalatra. Ho an’ireo zaza tsy ampy taona dia angatahin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny hanatevenan’ny fanjakana ny vola omena ireo ivontoerana mandray an-tanana ireo zaza nania mba hahafahana tena manarina azy ireny tanteraka. Tamin’ity taona 2017 ity dia efa tafakatra  100 sahady ireo mpangarom-paosy efa  nalefan’izy ireo  teny amin’ny fitsarana izay marihina fa tena nanova zavatra tokoa. Nahatratra roa na telo isan’andro ireo olona voaendaka teny Analakely teo aloha. Efa nidina ho iray na roa roa isan-kerinandro izany ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT