Ny alin’ny 12 mey hifoha omaly 13 mey dia nisy fanafihan-dahalo nitranga tao amin'ny kaominina Androhibe Atsimondrano.
Tsena kely miisa 5 no voatafika tao amin'ny Fokontany Morarano Ambatomalaza, raha ny fampitam-baovao voaray tany an-toerana. Niala teo ny dahalo dia niakatra nitsoaka an-tendrombohitra niakandrefana io toerana io,ary nanafika tao Soavinandriana indray. Lehilahy iray no voatifitra teo amin’ny sandriny ary vehivavy 17 taona no nalain'izy ireo natao takalon’aina tao, hoy ny ben’ny tanana, Fabrice Rakotomalala. Niala teo dia nanafika tsena iray indray tao amin'ny fokontany Ankadivory Atsimo, izay nahaverezana vola 5 hetsy ariary sy peratra mariazy volamena, izy ireo. Mangataka ny tomponandraiki-pahefana ao an-toerana ny amin’ny mba hijerena akaiky ity tsy fahadriampahalemana ao Atsimondrano ity noho izany ity tompon'andraikitra ity fa eo koa ny mba hanampiana ireo mpitandro filaminana miasa eny an-toerana. Tsara ihany koa raha mba afaka ampiana toerana fanaraha-maso iasan’ny mpitandro filaminana na « poste avance » sy « poste fixe » hanamora ny asan'izy ireo. Miandry ny avy eny Fenoarivo ny fanenjehana ireo dahalo nefa ny lalana iaraha-mahalala fa ratsy, hoy izy. Ireo toerana voalaza ireo dia ny farany atsimo eto amin'ny kaominina. Nisaotra ny CB Fenoarivo sy ny ekipany tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana moa ny tenany. Fantatra kosa fa mbola mitohy ny fikarohana ny marina amin’ity raharaha ity, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija sy Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.