Mirongatra sy mahazo vahana hatrany ny asan-jiolahy eto amintsika. Ankoatra ny sinto-mahery sy ny hala-botry dia misy hatrany ny vaky trano, antony manosika ny kaominina Antananarivo Renivohitra hanamafy ny fanentanana ny mponina tsy an-kanavaka amin’izao fotoana izao.
Tafiditra ao anatin’izany ny fandraisana andraikitra amin’ny fampandrenesana ny mpitandro ny filaminana faran’izay haingana raha vao misy tranga mampiahiahy. Tsiahivina fa miasa ho an’Antananarivo sy ny mponina rehetra ao aminy ny kaominina. Tsy ny fanesorana ny fako ihany no asa fanadiovana tsy maintsy hataon’izy ireo fa eo ihany koa ny famongorana ny asan-jiolahy. Tsy maintsy misy ny fifanomezan-tanana hananan’ny isan-tokantrano filaminana sy fitoniana amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao. Tsiahivina fa efa omen’ny kaominina maimaimpoana ao anatin’ny fanentanana hatao ny laharana hahazoana ireo mpitandro ny filaminana eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.